RAHA MBOLA MISY! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA MISY!

Raha mbola hisy ny maraina
De aza kivy na malaina
Fa miezaha hatrany
Hikatsaka ny soa sy ny mamy

Raha mbola misy koa ny mazava
De atsikio foana ny tava
Ary mahereza lalandava
Ninoninona mitranga

Raha mbola misy ny fanantenana
De aza variana mihanahana
Fa araraoty ny fotoana
Hanatsarana izay manoloana

Raha mbola velona ny aina
De herezo sy atanjaho foana ny saina
Aza miandry ny hafa hitarainana
Satria ady anie ny fiainana

Raha mbola misy hery ananana
Hifanampiana amin'ireo namana
Dia mba mahaiza mifampahery
Fa tsy misy natao hahavita tena irery

De raha misy manakiana
Aza asina sira
Aleo hiteny izay hilaza
Fa izy koa anie manambava
Izay hahasoa sy hahatsara
No katsaho ho anjara

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
953 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142