REHEFA MISY...! (ANDRINIAINA1)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MISY!Rehefa misy ny olana;
De tokony hisy koa ny vahaolana
ka na ho maro ny adidy;
dia miezaka foana tsy ho kivy.
Raha mbola fiainana koa ny fiainana;
De ny sedra tsy maitsy iainana.
ka na tsy hisy hafanana sy hazavana
dia tsy azo ariana ny fanantenana.
Ny ho tody sy tafita hatrany;
no atao tarigetra eto an-tany.
ka sanatria raha izay hivarilavo
fa tsy maitsy tafakatry ny avo.
sasa-poana izay manenjika
satria sanatria raha izay ho rendrika...
ANDRINIAINA1
--------
Rohy: