You are here: home > Vetso

SAINTSAINO - ANDRINIAINA1

Azo vakiana?

SAINTSAINO!

Maro mpitia hono ianao fa bikaina;
kanefa izao no tsarovy ary ataovy ao an-tsaina
fa tsy misy natao haharitra mandrakizay
fa mandalo avokoa, miserana: de izay.

Ny hatanorana, ny hatsaram-bika soa:
dia natao handalo miserana; avokoa.
Tsy misy vaovao natao tsy ho tonta,
ary tsy misy nohariana tsy ho maty manota.

Maro mpitia hono ianao fa hoe tena tsara;
kanefa ny fiainana an-tany iaraha-mahalala
fa misy fotoanany ny zavatra rehetra
Ary tsy misy nohariana ka hoe tsy hisy fetra.

Misy fetra ny hery, ary koa ny aina.
Misy fetra ihany koa ny zavatra takatry ny saina.
Tsy misy nohariana ka hoe lavorary:
N'inoninona zavatra ambonin'ny tany.

Ny "Fitiavana" ihany no maharitra mandrakizay.
Satria io no anaran'Andriamanitra Ray.
Ny soa atao no hivaly tsara.
Ary ny ratsy fanao ho ratsy fiafara.

ANDRINIAINA1

Hametraka hevitra

Midira aloha