TAPA-KEVITRA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPA-KEVITRA

Tapa-kevitra aho androany;
Fa tsy hisento na hitomany,
Tsy halahelo intsony,
Ka hiezaka hitony.

Tapa-kevitra aho androany;
Fa tsy hanadala na hihanihany,
Fa tena ho matotra tsotr'izao;
Amin'izay rehetra hatao.

Tapa-kevitra aho androany;
Fa tsy hirenireny tsony na handany,
Ireo andro na fotoana,
Amin'ny zavajava-poana.

Tapa-kevitra aho androany;
Fa tsy haketsy na hakany,
Ka hamiza-tena fotsiny,
Amin'ny zavatra tsy misy fotony.

Tapa-kevitra aho androany;
Fa hibanjina hatrany,
Izay hampamiratra ny ho avy,
Mba ho raitra sy ho favy.

Tapa-kevitra aho androany;
Fa hiezaka hatrany,
Hitazona ny maha izy,
Ka hahery hatrany tsy ho kivy.

Tapa-kevitra aho androany;
Ka tanterahiko izany;
Amin'ny anaran' i Ray mpahary
...! Ary ianao!!??...

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
1198 0
Hevitra mandeha
onitrakely ( 14/03/2011 08:46)
za ko tapa-kevira
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148