TE HITIA ANAO AHO SAINGY... (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hitia anao ny foko;
Saingy manahy ny hitoloko.
Matahotra aho satria:
Sao hampijaly ahy ilay fitia.


Tsy tiako raha toa ka ahiahy;
No hameno ny fanahy.
Mbola maro ny ezaka tiako hatao;
Ka tsy hafoiko tsotr'izao.


Te hatoky anao ny saiko;
Saingy manahy mafy ny aiko.
Mihorohoro ny ao anatiko;
Ka mila tsy ho tantiko.


Sanatria mantsy hanenenako:
Ny tsy fitiavako ny tenako.
Ka ho adim-panahy maro;
No hiainako mifangaro.

Te ho eo anilanao ny fanahiko;
Saingy be loatra ny ahiahiko.
Toa tsy hahita izay hatao:
Raha toa ka sanatria hilaozanao.


Sao tsy hiray ilay fitia:
Ka hahatonga ahy hania.
Fa raha izany no zavatra hisy:
De aleoko koa tsy misy.


Ny fo, saina sy fanahy;
Na de hoe te ho sahy:
Raha zavatra hita fa tsy hanjary;
De aleo ajanona sao mankarary.
Raha zavatra hay fa tsy ho tafa;
De aleo ajanona fa tsy lasa.
Raha zavatra tsapa fa tsy hivoatra.
Aleo hijanona any ankoatra.


Andriniaina1.
--------
Rohy:
2103 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105