Tiako ho fantatrao (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ho fantatrao

Mba fantatrao moa ry olon-tiako?
Ilay fitiavana niriko:
Hitiavana anao;
Isan'andro vaky izao!

Fitia tsy misy fitaka
Ary fitia tsy hisitaka.
Fa tena fitiavana marina,
Ary fitiavana milamina.

Tena tsapako ato am-po:
Ilay fitia tsy mety lo,
Ilay fitia tena mahery,
Ilay fitia tsy mba very.

Tena Tsapako ato anaty:
Ilay fitia tsy mba maty,
Ilay fitia tena maharitra,
Ilay fitia mahay miaritra.

Mba hitanao ve ry malala?
Ilay fitiavana tsy adala:
Tiako ho tsapanao!
Isan'andro vaky izao.

Fitia feno fahendrena,
Fitia tsy mba tia tena.
Fitiavana feno fandeferana,
Fitiavana tsy mandalo miserana.

Tena tsapako ao an-tsaiko:
Ilay fitia nolalaina,
Ilay fitia tena lova,
Ilay fitia tsy mba miova.

Tena tsapako hatrany:
Ilay fitia tsy mba lany,
Ilay fitia tena vonona,
Ilay fitia mahalala onona.

Mba tiako anie ry malala,
Raha ianao no hahalala:
Ny momba ahy rehetra,
Amin'ny zavatra tsy misy fetra.
Mba tsy hananao ahiahy,
Amin'ny fahalalana ahy.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5077 1
Mpakafy: martinemihe
Hevitra mandeha
kiriah ( 30/03/2012 18:16)
lazao azy otr' izany ilazànao azy eto zany re dia amin izay fantany e!.
Tsara !.
ANDRINIAINA1 ( 30/04/2012 17:00)
Kiriah>>> matetika refa lazaina le izy de le olona tolorana indray no tsy mahay mandray sy mankasitraka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0297