TSIKY ASETRY DE AMPY! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky!

Na dia misy zavatra tsy tanty!
Tsiky asetry de ampy.
Na misy zavatra tsy zaka!
Tsiky asetry de mitraka.

Ny fiainana eto an-tany;
Dia tsy hilaozan'ny sento sy tomany.
Koa ezaho ny mitsiky foana;
N'inoninona manoloana.

Ny olana tsy maitsy misy foana!
Na oviana koa fotoana,
Fa n'inoninona zava-misy:
Dia ezaho foana ny mitsiky.

Na eo aza ny fahoriana;
Ny tsiky manala hakiviana.
Na eo koa ny fijaliana;
Ny tsiky manome hafaliana.

Tsiky ihany,
Tsiky hatrany,
Tsiky foana,
Zay zaraina: Dia ampy!

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1296 0
Hevitra mandeha
hery ( 20/08/2012 06:36)
Marina io... tsiky dia ampy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145