TSY SAHY HONO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy sahy hono!

Tsy mety mino aho indraindray;
Ka toa enjehin’ahiahy,
Manahy mafy mantsy aho satria;
Tsapako ny foko fa tia.

Henoko ao anatiko ao;
Fa miredareda tsotr’zao:
Lay fitiavako tsy sahy,
Ka mahatonga ahy hiahiahy.

Ny hiteny anefa toa tsy ho haiko;
Satria mihorohoro ny fanahiko:
Toa tsy hanan-ko lazaina,
Toa tsy hanan-ko tantaraina.

Raha hiteny mantsy ity vavako;
Ka hamboraka lay fitiavako
Dia toa tsy ho sahy re rahavako
Manahy aho mantsy satria;
Ndrao ianao tsy ho tia
Ka zary ity foko ndray no hania.
Hanjary ho very ka ho sia,
Hanirery ,hiriaria.

Nefa ho hampitaiko hany ny ventsoko;
Mba hampitony ny alaheloko sy ny sentoko
Ka inoako fa tsy ho fahadisoako
Raha holazaiko ny ato am-poko:
“tsapako fa TIAKO IANAO”
ARY TIAKO TSOTR’ZAO
TIAKO TSY AMPIHAMBAHAMBANA,
TIAKO TSISY FANAZAVANA”:
Ny endrikao,ny fijerinao,ny fitsikinao
Manaitra ahy,manintona ahy ,misarika ahy
Mambabo ny foko sy ny saiko ary fanahy.

Zay any amponao any aloha; tsy fantatro;
Fa ny ventsom-poko hany no nambarako
Zay any antsainao any ihany koa ; tsy haiko
Fa izay iainako hany no nolazaiko.

Ka asa anao ry olon-tiako!
Fa zany re no faniriako!
Tsy manery anao aho sanatria
Fa ny foko no efa tia.
K’aza de omenao tsiny re rahavako
Raha nanafitohana anao ity fitiavako.
Mamelà zay mety ho fahadalako;
Vokatry ny tsy fahalalako,
Mamelà zay mety ho fahadisoako
Mamelà koa ny foko.

Avelao aho hitia anao mangina
F’aza kianina raha toa :tsy tiana.
Aza avela anao ho fahoriana;
zay mba anjara fifaliana.
Zany koa no mba fahasambarako
Ry olon-tiko lay tsy sarako.

Dia hofaranako ny teniko;
ka hapetrako ny peniko.
Aza kianina zay mba vitako
Fa mba manaovà mba ho hitako.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1980 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099