VAVAKA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA!

Vavaka.

Ray o, isaorana ianao!
Amin ny zavatra rehetra:
Izay vita sy mbola hatao,
Ary koa ny fahasoavana tsisy fetra.

Ray o, Deraina ny anaranao!
Omena voninahitra:
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao;
Tsy mivadika, maharitra.

Ifonanay Aminao:
Ireo fahotanay rehetra;
Ka angatahinay aminao:
Ny Fitiavana hahay hitoetra.

Ampitomboy ao aminay lalandava:
Ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana.
Ka n inoninona hitranga:
Dia hatoky Anao am-pitiavana.

Arovy re izahay!
Amin ny zava-dratsy maro.
Aza avelanao hiahiahy.
Fa manana Anao mpiaro.

Omeo anay ny hery!
Handresenay ireo ady.
Ary aza avelanao ho very:
Raha mihary sy mitady.

Tanteraho eo aminay!
Izay hitanao fa mahasoa.
Matoky anao izahay!
Matoky anao tokoa!

Amen.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fitiavana
2797 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143