You are here: home > Vetso

ZOKO, ZONAO, ZONY, ZONTSIKA, ZONAREO, ZONIZIREO...! - ANDRINIAINA1

ZOKO, ZONAO, ZONTSIKA, ZONAREO, ZON'IZY IREO, ...!

Raha ny zon ny olombelona no asian-teny.
Dia izao no mba hafatra ombieny ombieny:
Mila HAJAINA sy AROVANA hatrany;
Mba TSY HISY HANOSY na koa hanambany.

Zon'ny tsirairay ny hiaina finaritra;
Hiaina malalaka tsy misy fetra voafaritra.
Tsy azon'iza terena na fehezina izany:
fa zon'ny olona rehetra miaina ambony tany.

Manan-jo ny tsirairay ka mendrika hohajaina.
N'izaniza olombelona; velona, miaina.
ka anjaran ny tsirairay ny MIARO ny zony:
Mba tsy ho hitsahan'ny hafa intsony.

Ny olona rehetra de mitovy!
Na lahy na vavy na zovy...
Na inona lokony na avy aiza fiaviny:
na inona ananany na inona tiany...
DIA MITOVY AVOKOA SATRIA SAMY OLOMBELONA:
MANANA NY ZO REHETRA MAHAOLOMBELONA.

ANDRINIAINA1

Hametraka hevitra

Midira aloha