MANENJIKA NY TSY AZO (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sasa-poana ireo mpanenjika,
Fa lavitra ny lalana,
Fiakarana mideza,
Miampy fiolanana

Aoka isika hitony,
‘zay rehetra tratr’izany,
Fa ny ray ao ambony,
Anilanao hatrany

Aza mba mivoana,
Na mivilivily koa,
Mijere ny manoloana
Fa homba anao Jesoa…

Fa ny mpanenjika io,
Dia ao afara ihany,
K’izao no tadidio,
Ianao aloha hatrany
--------
Rohy:
1760 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174