LASA I BAVY KELY (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony teo ianao
niara-nikorana
feno fifaliana
feno fanajana

nilamina ny fiainana
nety izay natao
fifaliana foana
fony teo ianao

ravo izahay rehetra
tretrika ny fo
mamy ny mitoetra
tanilanao moa

ianao le zaza hendry
de nianatra tokoa
izay nataonao rehetra
tena soa tokoa

bika sy tarehy
nanananao ireny
fa ny tsikinao
vita tsianjery

toa tsy hita akory
fa tampoka tokoa
lasa ianao ry bavy
vaky teo ny fo

neny nalahelo
de narary moa
fa ny sentosento ny azy
tsy afaka ao ampo

niantso mafy aho
hoe : ho aiza ianao???
miverena re
raha mba azo atao

fa miandry anao foana
ilay zoky tia anao
sy ny olona rehetra
mitomany anao

nefa indrisy fa !!!
tsy namaly intsony
ilay zandry kely tiko
toy ny olona matory

ilay ranomasoko ???
tsy maintsy ho ritra io
veloma mampamangy
ho anao ry bavy

mandria ampiadanana
zany bavikely zany
fa io no sampanana
ho any andanitra any
--------
Rohy:
1471 2
Hevitra mandeha
RktErimady ( 19/03/2015 06:01)
Ahatsiarovako ny anambavinay maty koa 'ty asa soratra 'ty.Enga anie ka samy handry ampiadanana eo anilan'ilay Ray be fitia izy ireo...
andry 1000 ( 28/03/2015 04:56)
de rehefa miala ety ho any andanitra any..hifankahita indray ny alahelo hisava..mahereza rkterimady..
mitsoa ( 21/06/2015 16:02)
ndriii
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105