TONGA NY HAFATRAO (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setriny tononkalon'i ( RADO hoe : HAFATRA)

ho any ihany aho fa.....
handalo dia hiserana,
noho ny hafatrao,
hiezaka aho ny ho any,
raha azoko atao dia afeniko azy,
ireo fahorianao!!!

nandalo izao androany,
ka hitako izy tany,
ny endrika nasehony
hitako tsy faly,
fa zary toa nafeniny,
tanaty tsiky kely,
niampy hanihany,
tsiky tsy aminy fony,
kanefa... ny manodidina azy,
nilamina sy tony...

ao an'efitranony dia misy voninkazo,
fa ny lokony io?
tsy mavokely akory !!!
eo an-doha-fandriany :
dia misy sary iray
sarin'olon-tiany.... sarinao izay
f'ireo volofotsiny,
sy ketroketron'handriny
izay tsy hay nafeniny

dia nahitako fa....
toa tsy sambatra izy
ka na dia niezaka aza aho,
tsy hilaza ny aminao,
dia tsy tantiko intsony,
ny sento avy any ampony

ka dia nolazaiko azy,
f'ireo diarinao,
sy rakitry ny ela
dia voatahiry tsara,
fa tsy main'ny Adaoro,
nanampiako azy,
somary vazivazy
fa toy ny azy koa,
ny fahorianao,
dia tsiky no navaliny,
ka tsapako avy teo,
fa nihamaivana ny jaliny,

raha hifanao veloma,
dia henoy tsara :
f'izao no ambetinteniny...
tiany sy tsy foiny
tsy afaka imolony....
dia sary anankiray,
sy voninkazo mavokely,
no natolony ahy,

ary 'lay tanako,
nitondra ny hafatrao,
notazominy, nofikiriny,
ka napetrany mihintsy,
hikasika ny fony,
mba ho porofony,
zavatra kinasa,
tsy niala tao an-dohany,

ka voahy ny varavarana,
dia meteza aloha hitony,
ny ranomaso ajanony,

ny hitako aninkeheo,
dia iriny angamba...
ianao anilany eo.
k'aza mihambahamba
na miandriandry izany,
fa mandehana mihintsy,
aloha ianao mankany


02/05/2015 (ANDRY 1000)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1640 3
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 02/05/2015 08:12)
Efa tena tsara ry Baina a! Toizo e!
hjravs ( 02/05/2015 08:25)
Efa marobe no nanisy setriny io tononkalon'i Rado (hafatra) io, fa anisany mba tiako ity anao ity, aleo koa 'zaho mba hamaly ary...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141