ZARIDAINA NY FITIA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho entiko ianao ho eny an’habakabaka
Hitety ny tontolo, ataoko tena sambatra!
Ny fiarahantsika, ho lafatra sy miavaka
Hingaiko ny fanahy, tsy ho ety antany
Ataoko misavoana ho any andanitra any

Ny teo an-jaridaina somary nangatsiaka
nefa ny ora tamin'io roa ambiny folo
Tamin’izay fotoana izay, nangina ny tontolo
Fa antsika irery izao rehetra izao
Fitia tsy manampetra niarahana nanao
ny masonao nijery feno fifaliana
ny teny imolotrao tsy misy fijaliana


Ny fotoana tsy hisy very, izao anio zao
Ny sentonao mikiaka ny ao anatinao
Ho fihiniko ianao ho eto antratrako eto
Ho adinonao ny alahelo sy ny sentosento
Fa ny hiranao no ho kaloinao
Fanilo miampita ilay zavatra natao

Fa ilay raozy kely teo anjaridaina
natolotrao ho ahy, ho ahy re ry aina
koloiko sy lalaiko, eny tsy lotoiko
sarobidy loatra ianao, ka tiko sy tsy foiko

Ho fahatsirovana iny, tsy hanampaharoa
Eny tsy ho adino, fa ho tsaroana foana
Ny fikambanantsika, firaisan’olondroa
Fa ny fanahitsika nitambatra nihaona

Tretrika isika, faly zany fo
Rahoviana indray re?? no hisy fanindroa
Satriko mba… ho toy iny hatrany
Ho sambatra sy hiakatra any andanitra any
ny lapatsika roa de feno fiadanana ..
tsy ho afaka ao an-tsaiko ilay tena fahasambarana
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
1563 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139