AO AN'EFITRANOKO (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hisento lalina aho
Ao an’efitranoko ao
Tsy hilaza aminao
Fa hitia mangiana anao

Ny mameno izany foko
Alahelo sy toloko
Ny tsiky izay ataony
Sy ny zavatra fanaony

Manaiky izany fo
Raketiko ato am-po
Tsy hilaza aminao
Fa hitia mangiana anao

Ao an’efitranoko ao
Hisento lalina aho
Tsy hilaza aminao
Ny fitiavako anao

ANDRY kanto mendrika
27/12/23
--------
Rohy:
79 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 06/01/2024 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0626