NOFY IHANY (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao nifoha maraina
Sambasambatra ny foko
Velombelona ny aina
Tiako ianao , antsoiko

Ay nofinofy ihany
Fa nitamberina indray
Fa tsy nisy akory izany
Isika ho iray

Tena tiako mantsy ianao
Hatrizay , hatramin’izao
Dia manonofy anao
Isak’alina izao

Tsy ny vavako irery
Fa ny soratro miteny
Taha toa ka tafajery
Misy hafatra ombieny
--------
Rohy:
133 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 06/01/2024 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139