INDRISY (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy fa tsy mba niangaly
Nantsoiko , fa tsy mba namaly
Nitomany aho mantsy ny omaly
Ny foko dia zatra nijaly

Indrisy fa tsy mba miteny
Fitiavana ve ? no … alaina
Tsy fitia no setrin’ireny
Fa fandavana no hany lazaina

Ny foko dia efa taraiky
Fa ny saiko tsy mety manaiky
Alahelo manko , no anton’izao
Aza miteny , raha toa sitrakao

Fa izaho dia fahavalony kay
Fa izy tsy nety nandray
Alahelo manko , no anton’izao
Aza miteny raha toa sitrakao












Fanampiana no azoko atao
Fa tsy hoe , Izaho tia anao
Indrisy tsy niteny , na nitalao
Avelao , raha toa sitrakao

Indrisy fa tsy mba nisaina
Ny fitiavana no tena ilaina
Ny saiko dia , efa taraiky
Fa ny foko , tsy mety manaiky

Nolazainy fa , izao no faniriana
Fa ilay alina dia tena nangina
Indrisy fa tsy mba nilaina
Ilay fo dia feno taraina

Raha lasa aho aza asina tomany
Indrisy ! fa tsy sitrako izany
Alahelo no anton’izao
Alahelon’ny fitiavako anao





ANDRY kantomendrika
28/09/23
--------
Lien:
164 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ANDRY KANTO MENDRIKA
Inséré par : AKMKT
Date : 06/01/2024 13:02
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014