HO AN'I ZANDRY (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry ah ! taterak’ialahy ny hanatry zoky
Nananatra aho ! fa ialahy nanome toky
Mahay ialahy ka enga anie ho tafita
Ho reharehan’i Neny hianatra any am-pita

Manomboka eto tafio ny fahendrena
Efa lehibe ialahy ! ka mahaleo tena
Na tsy eo aza dada hanambintamby
Afaka ialahy ! fa tsy nisangisangy

Raha izay mpanenjika izany
Ny fiainana moa dia fandalovana ihany
Hirariako isika roalahy ho tafita
Hiampita ranomasina , fa hianatra any am-pita

Zandry ah ! tadidio izao teniko izao
Efa lehibe ialahy ! ka hisaino izay atao
Aza manao izay mampalahelo an’i Neny
Fitiavany an’ialahy ! matoa izy miteny

Na miteny aza ny sasany hoe tsy ho afaka
Ankehitriny anefa io ialahy! fa afaka
Aza miandry izay tambintamby
Ny fianarana koa aza atao sangisangy
ANDRY kanto mendrika
25/06/25
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
129 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ANDRY KANTO MENDRIKA
Inséré par : AKMKT
Date : 06/01/2024 13:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154