EFA (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa dimy taona lasa angamba izay !
Ankehitriny toa niverina indray
Fa toa tsy haiko hadinoana
Isaky ny hariva dia ianao no tsaroana

Malala ah ! ianao tsy haiko hadinoana
Ny fitiavantsika tsy haiko ho vonoina
Ianao akia efa tsy tana
Hoy ianao hoe « izaho tsy tamana »

Iny ianao fa tazako
Niantso mafy aho « avy anie rahavako »
Kanefa nodinao tsy tsaroana
Ny fitiavantsika sanatria ho vonoina

Izany ny siokam-borokely kanto
Malala ah ! ianao anie ka kanto
Na ny hatsaranao aza tsy hadinoana
Malala ah ! ianao foana no tsaroana

Malala ah ! nilaozanao ny tokan-trano
Aleo hiondrika aho hanome ny tsodrano
Soavadia ianao rahavako
Satria efa anao ny fitiavako

Eto am-pamaranana ny teny
Dia tsaroako ireny lasa ireny
Tadidiko eto ilay mistery
Niaraka nibanjina , niaraka nijery




























ANDRY kanto mendrika
13/09/23
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
133 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014