RAHA SENDRA (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra olàna dia aza tomany
ialahy anie ! tsy manana dia ataony toy izany
Mandefitra ialahy ! amin’ny atao rehetra
Izao no tadidio ny fotoana manam-petra

Raha sendra tsy fisiana dia aza sahirana
Aoriana ialahy ! ahita mangirana
Raha manana ialahy ! tsy angataka mihintsy
Elah anie ! sahirana dia mahaiza mitsitsy

Raha sendra alahelo , dia mahaiza mangina
Andriamanitra mitahy , izay tadidiana
Fa mba manana ialahy faniriana
Mbola hanankarena ialahy any aoriana

Raha sendra tsy fisiana , mahaiza miafy
Izao tadidio , ny olona migafy
Na eo ary izany , fa tena fahoriana
ialahy tsy ho very , fa manan’olon-tiana



























ANDRY kanto mendrika
14/09/23
--------
Lien:
113 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ANDRY KANTO MENDRIKA
Inséré par : AKMKT
Date : 06/01/2024 12:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136