TSY AFAKA (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy afaka hibanjina ilay ankatonao
Na koa hamangivangy anao
Tsy afaka hiara-dalana aminao
Satria tsy olon-tiako ianao

Tsy afaka , fa voadonam-pitia
Tia anao aho , ka resim-pitia
Tsy afaka hiara-tsambatra aminao
Satria tsy olon-tiako ianao

Tena resinao akia aho ry malala
Ka mbola miandry izay anjara
Tsy afaka hiresaka fitiavana anao
Satria tsy olon-tiako ianao

Ankehitriny toa very ny fanahy
Sanatria ianao malala tsy ho ahy
Tsy afaka aho mbola hitia anao
Satria tsy olon-tiako ianao












Ankehitriny aho toa manonofy
Ianao ry malala no mandrotsirotsy
Izao aho mibanjina volana irery
Vehivavy tsara , mifono mistery


Malala ah ! izaho tena tia
Ka indro anolotra fitia
Andao hiaraka ry vehivavy mistery
Tokan-trano soa , no sady modely

Ny fitiavantsika aza avela ho very
Dia izaho koa , aza avelanao irery
Eto aho , dia hanorina fitia
Tsy haiko raha tsapanao , izany tena tia

Ianao no tiako hampakarina
Tiako ianao , ka tiako ho fantarina
Veloma akia , fa izaho tsy manadino
Raha mahatsiaro ianao , dia ity fihino







ANDRY kanto mendrika
15 /03/23
--------
Rohy:
108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 06/01/2024 12:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137