You are here: home > Vetso

FIDIRAN'NY MPIANATRA ( ANATRA ) - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?

Mingadona indray ny fotoana
Fianarana aty an-tsekoly
Ny lalao sy korana misaona
Fa tapitra atreo ny ala-voly

Taratasy no kirakiraina
Penina atao maty an-tanana
Io no enti-mandranitra saina
ho lova sy tena fanana

Ny hakamoana fadio ry zareo
Fahavalo io tohero reseo
Mampihetry manimba aok'izany
Mandoza tsy roa aman-tany

Ny ankiviana ialao, halaviro
Fa tsy soa mahazo ny tena
Fahazotoana hatrany hifikiro
fikirizana fandavan-tena

Reharehan'i Dada sy Neny
Ny zaza mahay sady hendry
Ianao io indrindra no iriany
ho tabian'ny fianakaviany

Faly koa ireo mpanabe
raha ianao no ho lasa olo-manga
Izany koa no irinay anie e,
Mahereza rankizy malala

ANJARIVO Ronsard

Hametraka hevitra

Midira aloha