NY VALINY (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resim-pitia ka nitory fitiavana
Naazo TSIA,naazo FANDAVANA
Ory aok'izany
Latsa-tomany!

Babom-pitia ka nitory fitiavana
Naazo ENY naazo FANOAVANA
Faly aok'izany
Latsa-tomany!

Lavom-pitia ka nitory fitiavana
Naazo ANDRASO naazo FINIAVANA
Miandry aok'izany
Anahoana ihany??

Ny TSIA fandavana
Ny Eny fanoavana
Ny ANDRASO finiavana
Valio ilay fitiavana.

ANJARIVO Ronsard
--------
Rohy:
1439 1
Mpakafy: Ronsard
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139