You are here: home > Vetso

RIMAN'NY FITIA - ANJARIVO Ronsard

Nantsain'i
ikalamako

Alokalom-pitia maha-manina
Angolangolam-pitia maha-fanina
Tsikitsikin'ny tia zava-dalina
Ka raha tojo fitia mba malina!

Fo mitepo fitia dobodoboka
Dobodobom-pitia hovitrovitra
Hovitrovim-pitia boraboraka
Boraboram-pitia maha-roboka!

Afinafim-pitia mankarary
Aingitraingim-pitia mampijaly
Avonavom-pitia tsy manjary
Fa ny fo tena tia hafa ihany!

ANJARIVO Ronsard

Hevitra mandeha

kiriah (15/09/2012 13:40:34)

Miresaka tsara mitsy zany tnkl zany , misaotra e!.