You are here: home > Vetso

TAKARIVA VOLAFOTSY - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?

Takariva volafotsy,
Kintana mifampitosy;
Tanterak'ilay nofy...
Fo mazava tafaray,
Tanana roa mifandray;
Mifankatia mandrakizay...

Volana somambisamby,
Feon'akitra koa manamby;
Eo ianao manambitamby...
Ilay Nahary ao ambony,
Manadio sy mampitony
Rivo-piainana mangoly...

Takariva feno sento!
Takariva tsy mba foiko!
Takariva tsy mba miofo...
Ny fitiavan-tsika roa;
Lalim-paka ao am-po!
Iriko loatra tsy ho lo!!

ANJARIVO Ronsard