HANDEVONA (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoviatako ihany ny handevona
Ity vatanao ry malala
Tiako indrindtra ny fitia tsy niala
Fa voatery ny zava manolona
Tsy hiankatiavan-tsika intsony
Izay manahirana ahy ny hitony
Na dia tsy sitrako aza izany
Tsy maintsy hambolena an-tany


Tsy vitako mihintsy ny handevona
Ilay fitiavanao ao am-po
Ninona zavatra tsara manoloana
Tsy levona ilay fitia iray tsy toa
Miraikitra mikoriana tsy miato anaty
Tsy mety foana fa efa lasanao maty
Na oviana tsy hoa levona ilay fitia
Mandra-panarako izato dia

31/05/01
--------
Rohy:
1465 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 30/10/2006 16:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142