vazoly (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ilay vazoly iray izay Niavonany teniko
nanambany ilay fitia dia ilay fitia volameniko
ny fitiavanao anga toy ny lamba tsara loko
ka anaovanao fampitaha ka voahosadokanao ny foko
indray hariva pararano ho tsaroanao angamba
namborahako fitia taminao tsy niambahamba
nefa moa tsarioanao ny avona izay navalinao
hoe tsy mendrika ho tiana ity foko tsotra taminao
koa nahoanaindray ianao no mihantsy ny fitiavako
o ry eva fena avona sy nanampentina ny diako
moa ny lotona voahangona tany ankizokizonaliny no heverinao atolotra ity foko tsotra lalina
adinoi ilay vazoly izao sy ny fitiavako
ka ahoka tsy ho, tompaza-maso izay tohatra hiankarako
adinoy ilay ialay tsikitsiky nanambara ny fitia
adinoy ilay tambitamby adinohy ho doria
adinoy tanteraka ary izay no valim-piangaviana
izay atolotry ny foko efa ela nijaliana
adinoa tanteraka ary na ny tena na ny tavako
ka aza atampody intsony ao amponao rahavako

dia pen,i TSITSINA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Ady
1582 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : tsitsina
Daty : 10/02/2007 12:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014