You are here: home > Vetso

TSY AFAKA - Arajech

Te hitraotra
Nefa tsy afa manoatra
Fa voageja hatrany
Toa sesilany
Hatramin’izao miezaka
Mba ho tafita
Nefa tsy mbola nahita
Fa valaka
Mitady foana
Nefa lany ny fotoana
Tsy nahita mangirana
Fa vao maika,
Mihay sahirana
Mahery vaika
Tsy hafahana mitraka
Fa mitrongy foana
Mandritra ny taona
Tsy afa-patotra
Izay mamatotra
Ty vatana efa trotraka

27/11/00

Sokajy : Fahantrana

Hametraka hevitra

Midira aloha