You are here: home > Vetso

TE- HAHIT'ANAO - Arajech

Azo vakiana?

Izay rehetra mandalo ny masoko
Ka maka endrika ilay sarinao
Dia jerevako sy diniko havoko
Sao  dia mba ianao !

N’aiza lalana izay halehiko
Dia jerevako avy ireo zazavy  
Izay rehetra tojo ny lalako
Sao ianao iny  manatona havy

Ny rehetra miditra ao ampiasako
Mbajinoko ambony ambany
Sao mba ity ilay any tiako
Izay tsy hitako lavitra any ho any

Nefa nangaina foana
Fa ilay tiako sy malalako
Tsy  mety  mba tafahoana
Nefa izy ilay tokana nolalaiko

08/11/06

Sokajy : embona, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Arajech

Nampiditra : arajech
Daty : 13/11/2006
Mpamangy : 1764
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

FITIAVAN-TSIKA
vazoly
30/11/06
MANINA OLONA TSY TIA
METY HISY VE?
TSISY ANDRO MIHIRATRA
NY VOLA
NY AN-TANY
TSY AFAKA
HANDEVONA