You are here: home > Vetso

METY HISY VE? - Arajech

Mety hisy ihany ve ?
Ilay andron-tsika roa
Ho lasa ho mpifakatia tokoa
Sao ho nofinofy ihany
Fa tsy misy anjaratsika roa
Ny mifanka-tia an-tany
Ka ho rava mora tsotr’izao
Ny fitiavan-tsika sy ianao  

Mety hisy ihany ve?
Izaho sy ianao
Hofamihina mahatritra
Dia samy hilaza:
TIAKO IANAO
Ka n’iza n’iza
An-didy sy hametra
Avelan-tsika reraka hivazavaza

Fa mba lasa ihany  ty saiko
Ndraindra mila tsy ho haiko
Fa mihahiahy ihany
Sao ny anao kilalao sy vinany
Ka izaho hijaly saina
Niadry nefa dia  nangaina !

06/11/06

Sokajy : Ahiahy, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha