NY VOLA - Arajech
Azo vakiana?
Mitovy ihany ny masoandron-tsika
Raha dia ianao mpanefoefo,
Na izaho mahantra marefo
Samy masoandro iray ny mitaratra an-tsika
Raha ny vola no mampirehare anao
Dia vidio ny masoandro
Ary ataovy tsara fitandro
Ho anareo mianakavy rehetra ao
Aza avela hitaratra anay
Izay mahantra lalandava fahizay
Fa efa voavidinao tamin’ny vola
Dia tandrovy aza avela ho tola
Hanazava an’izao totolo izao
Hitaratra anay mitsipozipozy lava izao
Samy ho faty raha tonga ny adrony
Na dia ianao izay mpanefoefo
Raha izaho mahantra izay marefo
Ka aza mifanao tsinontsinona r’itony
Fa raha ny vola no mampiavona anao
Dia vidio, dia hodidio ny fahafatesana
Tsy ipetrahanareo mianakavy am-pasana
Fa hirehareha hatany amin’ny tany izao
Hanjaranay mahantra fahizay ihany
Ny fandaozana tsy fidiny ny fiainana an-tany
Fa ianareo sy ny vola aman-karena
Dia hiriaria mandrakizay doria
Fa izahy kosa an-tranomanara fa tsy hiriaria
27/06/99
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajechDaty : 01/11/2006
Mpamangy : 1519
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FITIAVAN-TSIKAvazoly
30/11/06
TE- HAHIT'ANAO
MANINA OLONA TSY TIA
METY HISY VE?
TSISY ANDRO MIHIRATRA
NY AN-TANY
TSY AFAKA
HANDEVONA