HIVADIKA ! (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hivadiaka amin’ny izay velirano nataoko
Raha toa ka lasa hivalo-mainty iny loko
Iny masoandro sy hiposaka avy Andrefana
Hangirana maintso hiletika any Antsinanana

Hivadika tsy hotia anao intsony ny foko
Raha toa ka hiantsilany ny lanitra lolohaviko
Dia hiankohoka ny tany diavin’ny rehetra izao
Ka tsy mandiha tany amin’izao tontolo izao

Hivadika hankahala anao fatratra tanteraka ny saiko
Raha toa ka hiorika hiakatra indray ny hitako
Iny rano mivalana midina hatrany hatrany
Izay tsy hary nisy n’aiza n’aiza mbola tany

Hivadika ho mpinamana isika no tantiko
Raha toa ka hiriaria indray miaraka amiko
Ireo olona nambolena an-tany miisa firifiry
Hatramin’izao tsy nisy mety mba naniry !

13/06/02
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
827 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 16/10/2006 19:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142