Ny any § (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny any ankotra any
Tsy mba misy ny toamany
Ny anay tena lafatra
Tsy mba misy ny manasatra
Ny any no tsara
Tsy mba misy ny mandrara
Ny any no kanto
Tsy mba misy ny mandranto
Ny any miramirana
Tsy mba misy manahirana
Ny any no tiako
Hampiadana ny fo sy saiko
Nialanareo ny teto tsy ilan-tomany
Na zaza na tanora na antitra lasa any
Tsy mba ary nisy niverina
Amin’ity tany mandrerak’aina
Any izao no tena maba tiako
Hampijanona ny fahoriako

18/03/99
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1039 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 16/10/2006 19:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099