ALEO MATY MAMELA MAMY TOY (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO MATY MAMELA MAMY TOY NY RENINTANTELY

Eto an-tany fandalovana:
eto no ara-maso
ny ram-pahatsiarovana,
na mamy na matsatso.

Teto ilay nanao ny soa
no namela rangon-tsoratra;
izay tsy niandry valisoa
fa niari-pery mba hanolatra.

Teto ihany koa
ilay fanetriben'ny tany,
nangidy hoditra ka lo
any ambany rangolahy any.

Tsy toy ilay namela mamy
nampitsonika tantely
ka ho voarakotry ny amy,
hotsenain'ireo anjely.

ALEO MATY MAMELA MAMY TOY NY RENINTANTELY
Arimbola Fenotsiky.
--------
Rohy:
459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Nampiditra : Arimbola Fenotsiky
Daty : 22/07/2022 08:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145