Aza miandry aorianasango (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza miandry aoriana
sangoa ho tara loatra.
Hampitohana ny kiana
ilay andraso kely tafahoatra.

Satria aoriana kely,
handingana ny ora.
Tsy hiandry velively
zay zatra goragora.

Fa aoriana ao,
misy zavatra tsy ampoizina:
mety ho loza mitatao,
mety ho nenina sy poizina.

Ary aorian'izay,
hotsapanao fa volamena
ny fotoana anakiray;
fa ny fahatarana fahalemena.

Koa any aoriana any,
tahak'izay tsy hisy farany.
Tsy manozona ny tany
fa samia mikajy ny anjarany!
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136