You are here: home > Vetso

DEPUTE BE NOFY - BREACKSONG

zavatra iray ihany no ambarako
hahafantaranao ahy!
mba vakio aloha ny sora-tanako
dia ho tsapanao hoe... IZA AHO?!

raha i Tananarivo
efa laniko tsianjery
na ny rivotra mifofo...
na ireo izay tsy mihery

Atsy aoriana angamba
dia i MADAGASIKARA
no ataoko kilalao
sady asa hivelomana

Koa raha hirotsaka aho
dia aoka ho fantatrao
fa tsy ho ahy velively
na handratra sy hamely

...fa hitady izay sahaza
tsy ho anao mihitsy akory
fa izaho ary hampahory
ireo manao fisainan-jaza...

koa fidio aho ary
hamonoako tsara anao...
fa efa hitako miandrandra
izato fahalavoanao

Ho TANTERAKA tokoa anie IZANY!

Hametraka hevitra

Midira aloha