EMBONA (BREACKSONG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh! Naha sarika ahy lahy ianao
Fa toa tsara fanahy;tsara toetra
Satria hatr’izay ka hatr’izao
Dia lasanao tsy misy fetra
Izato foko… feno fitiavana
Isan’andro aho dia toa manina hatrany
Fa hay ianao tsy anilako eo!
Zary nofy ihany ny ahy
Ka ny foko no toreo
Mitoloko hatrany hatrany
Miandrandra ilay mazava
Rehefa iny aho irery
Ka mandefa ireo vinany
Dia toa tsy eny rehetra eny
Ny heritreritro fa… mivohy hatrany
Izay fomba rehetra mety
Aiza lahy ka mba rahoviana?
Izany nofy no ho tanteraka!
Fa hatr’izao dia toa eny an’habaka
Tsy mahita ny majinika,fa mijila hatrany miakatra
--------
Rohy:
1375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : BREACKSONG
Nampiditra : breacksong
Daty : 04/05/2013 15:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128