Teo Tsaralalana! - BREACKSONG
Azo vakiana?
Vao notopazako avy any AVARATRA
Dia tsinjoko avy hatrany
Fa... hay ianao ity
Ilay volana baliaka tsy mivoaka andro
Fa miandry ny hariva lava...
Toa mahasarika ary mahavariana ihany!
Fa tsy voafetran'ny voa-janahary
Mety hivoaka ho tonga fahavalo
Ka nahatonga ahy hikalo
Ilay tsy manam-paharoa...
Hay miritsoka mangina ilay mpiandry MPANONTANY
Fa raha toa tsisy izany...
Diamirotsaka an-tsehatra
Mba hampibaribary ireo POLISY be GALONA
Mba handravona ny tany
Fa raha tonga eo ianao; ka hanontany azy
Dia valiny tsotra foana sady omeny tsiky kely
Andao lesy dada; andao ialahy raha noana...
Fa omeko nofo-kenam-pihavanana.........
... zay ialahy dia tsy tana; fa lasa...
Voabaikon'ny filana
tsy taiza akory izany fa teo TSARALALANA
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : BREACKSONG
Nampiditra : breacksongDaty : 13/05/2013
Mpamangy : 1029
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Hanoratra ahoDEPUTE BE NOFY
ho an'ireo any ampita any
EMBONA
FIRAISANA VOALOHANY
namako foana
Ao aminao
ny itiavako anao