You are here: home > Vetso

mba satriko - cedarf

faniriako, anio!isika hifampitosy,
hahita ny endrikao ho eto anilako rahavako.
f'indrisy ny adin-tsaiko no tonga mifanosy,
mifangongo lalina misoritra amin'ny tavako.

fa mbola sento indrisy! no valiny azo asetry,
mbola fiandrasana no ora azo omena,
fiandrasana olon-tiana amin'ny saina izay tsy mety;
ka lasa maminany, fa lavatry ny tena.

fa mbola mienaena ny vavako no vahotra,
manko izany foko efa manina azy loatra,
matetika manahy ito foko raikitaotra
fa ela tsy nahitanao manko ka mitraotra.

aza omena tsiny aho fa tena lalina amiko
ny fitiavantsika ka satriko hirindra;
na hangidy aza ito tany, ny an-tsika mbola ho mamiko,
trotroiko hatramin'ny faram-pofonaiko kely indrindra.

Sokajy : Alahelo, embona

Hametraka hevitra

Midira aloha