nisy (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy teny nolazaina fa nodianao tsy tsaroana,
Misy fo ‘zay mbola velona any anatinao kanefa,
Nataonao mody tsy hita sa niniana noadinoina,
Ireny fo nitianao sy ny fitiavany rehetra?


Nisy fo iray tomany tany ho any saingy indrisy!
Tsinapanao ny ratrany, sy fantatrao ny aretiny,
Kanefa sahinao no nandratra an’azy mihitsy,
dia nosoloiny ianao, ka sento no mba noentiny.

Jaly va no setrin’ny tsiky mba nataony?
Sa sento no sahaza ny fony izay nitia?
Dia sahinao natosika ny fony tamin’izany,
Ka nampianao niniana ny ratrany tery.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 30/04/2014 21:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795