ny afatro (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
taratr'andro arivariva, etsy andrefana tazanina,
tara-bolana misoka, momba ahy ka mahamanina,
irak'iza lahy ianao? sa 'lay tiako no nanafatra;
ela tsy nifankahita, ka malahelo fatratra.

toa faria manganoano izany masoko mijery,
misy tsirin'alahelo te hisento fa miery.
Ny elan'elan-tany maro mampanembona ahy anao,
tiako ho foana, hahitako ny salovan-tavanao.

iny volana irakao, ito taratasiko hoento
izao no afatra ho an'azy sy ireo hany vetsovetsoko:
"tiako hotsapanao fa manina aho ka mitomany;
ny ranomasoko ito monja no sonia alefako any."
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1345 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 04/02/2015 14:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142