tanàna haolo (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Haolo manko ilay tanànako,very tompo ka mangina;
Voronkely tsisy tsiny,very reny fitosiana,
Very saina sy tomany aho,velo_tsento nefa indrisy,
Tsy haiko asolo sandry manko ny herintsaiko zary tsisy.

Haolo manko ilay tanànako,tsisy anao mandalo intsony,
Rava sahady ny hatsaran ny fahinintsika irony,
Haolo manko ny tontoloko fa ny tsikinao nandao an azy,
Dia rava ho azy ny hafaliako tsisy anao mamazivazy.

Haolo manko ka mangina ilay tanàna kelintsika
Ranomaso sy tomany sisa ao,no mangatsiaka
Nilaoza_naman_tena tiana aho ka malahelo foana,
Ny fiverenanao no mba masoandro lohataona.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1914 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 20/12/2013 17:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971