TSY METY ANDOSIRANA (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
domiko anefa tsy mety mianjera,
aleviko saingy manangatra foana ;
ny avelom-pitiavako sisa tavela,
tiako hitamberina raha sendra moana.

Imbetika lalina ho ahy ny adin-tsaina
rehefa manaloka indrindra ny lasa,
indrindra indrindra ny feon'ny maraina
efa nanary fa mbola kinasa.

Imbetika ny aliko raha manirery
dia satriko hamangy ny foko tomany
ny oram-pitiavako izay manankery,
naleviko saingy tsy levona ihany.

Tsy resiko loatra 'ty herin'ny foko,
manampitiavana satriko hofaty ;
vao mainka toa velona mampitoloko,
raha lavitra tiana toa mila tsy ho tanty.
19/04/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1275 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 27/04/2015 04:29)
tsara e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 26/04/2015 17:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014