SANATRIAVINA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isika ilay voly tsy nety namelana
Isika ilay aloka sendra niserana
Isika ilay orana tandrifin-drahona
Isika ilay mamy tao an-tsefam'bahona

Isika ilay lalana tsy afaka hizorana
Isika ilay lamba fa tsy azo hisalorana
Isika ilay afo tsy mety hamindroana
Isika ilay lasa tsy maintsy hadinoana

Isika ilay dobo tsy mety hatsakana
Isika ilay lakana tsy azo hiampitana
Isika ilay maso tsy mety mijery
Isika ilay ody tsy mahatsabo fery

Isika ilay toerana tsy azo tsidihina
Isika ilay ho avy tsy azo dinihina
Ilay himbina lahatra tsy maintsy mifarana
Ka tsy mandrampihaona fa hanidy varavarana.
Tsy hidiranao intsony !
--------
Rohy:
57 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 10/09/2024 09:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143