AVELANAO VE? (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelanao ve hanantena,amin’ny ho avy tsy hay faritana?
Avelanao mba hanaranto,na koa hamovo sy hamitana?
Ny fahafahako ato matsy, toa mahatra mahonena
Tsy mba ara-bola kosa fa, fitiavana sy fahendrena

Avelanao ve mba hanatona,ao am-ponao ny fitiavako?
Moa manaiky va ianao,ho atao mpamahana ny vavako?
Noana fihadanana aho, ka tsy mihondam-pifaliana
Efa taona amaro koa, no tsy mba nanan’olon-tiana

Avelanao ve hamboleko,ny zaridainanao tontolo?
Fa ny fitiavana hananako, indray hafafiko eo daholo
Ho koloiko mba handrobona,hamelana tsy mety lany
Ahy ianao manombok’eto, mandram-pialako eto an-tany

Ka ny anaranao hovaina, atao safidy famaranana
Ilay mpizara fifaliana,sy mpapigoka fihadanana
Ka avelaonao aho handroso, amin’ny lalina indrindra!
Fa ny fitia ventesiko ato, marina sy tsy hay hafindra
Noho izany avelao!
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Aingam-panahy - Fitiavana
208 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 02/01/2024 05:27
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148