AZA SAROPIARO (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha resaka "message" tsy hapotrany aminao,modio tsy hita akory,
Aza rarahina, fa mandehana ianao matory
Aza hasianao resaka raha tafafoha maraina,homano ny kafe,
Kiraro sy ny lambany,de avelao andeha
Hamonjy indray ny asany!

Ra sanatria hariva izy vao miditra ny trano,fadio ny avonavona
Raha mbola ananao ny zavatra ilainy,de aza misy lavina
Mahaiza ianao manaiky,migoka fahasambarana rehefa miaraka aminy
Fa mbola mendrik'izy,matoa tsy manadino sy manary ny ankaniny
Ka mbola mody ihany!

Izay rafy tsy hita maso izany ve ry se, no atao ampiasa saina
Na ampanjombonjombona ny maso vao maraina
Rehef'Izy tsy nandroaka,na nilaza hoe voasolo
Raha mbola raisinao koa ny karama manotolo
De aza saropiaro!

Farany d'izao,
Hajao ny vadinao,
Hiafio raha mbola hafy
Fa aza mampirafy
Ka hamaly an'Azy amin'javatra nataony
Izy ary efa laony...!
--------
Rohy:
331 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 26/10/2023 06:16
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168