DISO LALANA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa ny taloha, f'izao aho efa tofoka
Leon'ny robo-potaka sy vovoka mibofoka
Ny fahalafaranao izay nanaitra ny ambom-poko
Feno fahatsarana ka dia mba nobodoiko

Nataoko ho voninkazo mba hanaingo zaridaina
Noheveriko ho kafe, ka hoe sotroina isa-maraina
Hay mangidy mantsina, mafaitra tsy hay atelina
Soa vao nanomboka ny antsika dia tsy velona

Raha tamin'iny angamba no nirehitra ny afo,
Na koa voarebireby tamin'ny oroka sy safo
Efa lasa sorona ny foko tsisy fitaka
Fafy amoron-dalana ka mbý voahitsakitsaka

Nahita olon-kafa aho, tsy toa anao mihitsy
Tsy mba mirobaroba fa vonona hitsitsy
Tsy manantena fotsiny hoe ravaky ny làlana
Fa afaka manosoka ny banga izay mahalana
Efa sambatra aho ka tsy maintsy miverina
Ny lotonao rehetra mantsy tsy azoko leferina......
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 21/12/2023 08:33
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015