FATORANA TELO (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nihofo ny volana maro, ka nanjary nivadika taonaNy tany niaraha-nanarina, jereo fa nahorina havoana
Afaka hitazatazana ny ho avy izay mbola ho faritana
Ary azo hitovozana trondro, ho solon'ny vovo sy fitana
Misy fatorana telo, hambarako anao izy androany
Horonana masina indrindra amin'ny zavaboarin'ny tany
Hiriko mba afaka hilaza, f'isika dia avy amin'ny mpahary
Ireo tady mpamatotra ireo, no mpanarina sy mpanajary
Ny voaloham-patorana aloha no ambarako anao re ry tina
Tsy iza fa ''Ray aman'dReny hotronon'ny fianakaviana''
Ireo no hasaiko hilaza hambosan'karazam-porofo
Ny fitiavako anao tena marina,mafy ka tsy mba hiofo
Eo koa i ngiahy mpikabary, mpandrindra ny teny rehetra
Izy no hasaiko hanafy , fa isika dia miara-toetra
Miara-mandrora mafaitra ary miara-migoka ny mamy
Ka lafatra ny tokan-trano, ary sambatra indrindra eto an-tany
Halafady sy ny tampimaso, vodiondry sy ireo fanajana
Horonan-kofe voalohany, dia fatorana tsy azo vahana
Marika koa izy ireny, fa fitiavana be makadiry
Ka saha izay fonenako hatreto, anatinao 'Za maniry
Vita amin'izay korana : indreo ny fitsofana rano
Haroroka dimby sy fara ka aharitra ny tokatrano
Ny soa sy ny tsara rehetra hikoriana mahenika antsika
Ho fitiavana be misavovona ka rano tsy mety ho ritra
Izay no kofe voalohany, lamba natao hirakofana
Fa inona ilay faharoa, mba ho trano ka afaka hialofana
Ka na ora-mikija mandena, na gaina tsy zakan'ny satroka
Dia sitrako akia ny fitiavako raha ao am-ponao no hatsatoka
Ity misy tady faharoa, izy no hasaiko maneho
Soratra indray no miteny, miresaka mamoaka feo
Hatrehan'ny be sy maro , ny havan'ny vavy sy lahy
Amin'io faharoa io isika dia hiaraka tsisy ahiahy
Izaho izany ilay Ramose, Ianao kosa indray no madama
Iretsy no Vavolombelona ,dia iretsy no Ben'ny tanana
Miara-mitazona penina, ''mamboraka fa samy tia''
Amin'ny alalan'ny soratra, dia tsy inona fa ny sonia
Fanampim-patorana tao, misy hika tsy mety mangina
Ilay rakitra dimbiniala ho bokin'ny fianakaviana
Isika no loha laharana voasoratra anatin'ny boky
Izany no hasaina hanambara karazam-boady sy toky
F'isika dia mpifakatia!
Andray izato hendrika mirana, handravahanao toeram-podiana
Andray izao karazan-tsakambina anehoanao kidaom-pifaliana
Jereo koa voly rehetra kanto sy mamelovelo
Jereo fa midongy zareo ho fatorana feno akitelo
Farany vao misy vetiny, fa tady natao volamena
Tsy handairan'ny lonto intsony, fa taratr'ilay famonjana
Eo anatrehan'ny Avo, no kofe hamatorana antsika
Ka ho manga tsy misy hanimbinana, ilay taratra feno baliaka
Vavaka no hamaranana, ny tady natao fifatorana
Baiboly no soritra hita, ho lalan-tsy maintsy hizorana
Ka ny alitara indray no toerana hasaiko milaza
Fa mandrakizay ilay fitia, tsy akory hoe kobaka am-bava
Ny Mpitandrina sy ny fiangonana, ho vavolombelona marina
Fa ny lafatra miafina indrindra no ezahiko mba ho takarina
Hasalotro anao mba ho marika, tsy levona mandrakizay
Dia fitiavana avy amin'ny mpahary fa isika olona iray
Ka aoka ary isika hivavaka, mba ho asa saloram-pinoana
Andriamanitra no hôpitaly ary koa dokotera hitsaboana
Raha ny mason-tsika mijery, raha fon-tsika mbola miaina
Izy mpandahatra ihany, no mendrika ndeha ho deraina
Ireo voadim-PATORANA TELO, nahidy ao anatin'ny siny
Ampetraka eo an-kavanana, aharitra ka ho tahiny
Fa azy ny zava-drehetra.
--------
Rohy:
Mpakafy:
DADAFARAtolotra
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 28/04/2025 05:26