FITIAVANA AFENINA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy volana mazava ao ambadiky ny rahona
Misy mamy tafasitrika ao anelakela-bahona
Misy fo midobodoboka tena tsy azoko sakanana
Hay fitiavana afenina midongy haka fiadanana

Misy saina mifanjohy somary tia mitoka-monina
Misy jery anaty haizina, ny anaranao voatonotonona
Misy maso tsy manaiky, mitazana tsy mahay mangarika
Te-hiantso anao angamba, asa ianao raha mahatsikaritra?

Misy tànana fitiavana, minia mankeny an-tsorokao
Mivimbivimbin'izay zakany, hanorim-piainana vaovao
Tena mila anao mihitsy ho ataony toky sy ho andriny
Izay hiantsoroka ny vozona sy hitantana ny sandriny

Misy saha voakarakara, miandry anao ho zaridaina
Misy teny kely afenina kanefa ezahana dradraina
Misy hambo mialokaloka, tampenana toa tongobolo
Ireny rehetra rehetra ireny HAY FITIAVANA DAHOLO
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 20/12/2023 11:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155