Fitiavana tsy anjara (DADAFARAtolotra)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niavaka loatra
Ka nahatonga ahy hitraotra
Saingy indrisy tsy anjara angamba
Manantena tsy misy ity foko efa jamba

Hiezaka aho hanadino
Izay rehetra mombanao
Ka ny lalanao banjino
Fa izaho tsy anjaranao

Tsy ataoko hampitoloko
Na hampitomany
Hampiononiko ny foko
Fa fombam piainana izany

Aleo aho hitomany mandram-piveriny eto
Aleo ny foko hijaly,aleo saiko hisento
Miandry an'Azy ao ihany
F'izay hizorany any
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fitiavana
1178 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DADAFARAtolotra
Inséré par : DADAFARAtolotra
Date : 23/11/2023 05:51
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124